Tonga niarahaba sy nirary soa an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, amin’izao nanendrena azy hitantana ny Minisitera izao ny Filohan’ny Federasionina Malagasy ny taranja Handball, Ramatoa RAHERIARIJAONA Regina Clarisse, ny 17 aprily 2023.
Noresahana nandritra izany ny mahakasika ny fiomanan’ireo atleta Malagasy amin’ny lalaon’ny Nosy ary ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny IHF Trophy izay hatao any Afrika atsimo.