MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

KAONFERANSA: FITANTANANA NY FANATANJAHANTENA EO AMIN’NY SEHATRA AVO LENTA

Notanterahina tetsy amin’ny INSCAE 67Ha, ny 19 aprily 2023 ny kaonferansa momba ny  » Fitantanana ny fanatanjahantena eo amin’ny sehatra avo lenta » , izay nokarakarain’ny « The Futur is feminine »

Nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpandray anjara izay nandraisan’ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eto anivon’ny Minisitera, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY.

Nandritra izany no nizarany ny traikefa ananany, nentiny anampina ireo mpandray anjara. Ny mpitantana ara-panatanjahantena mahomby dia mametraka vina, mahafehy ny zavatra sahanina, ary tonga fakahantahaka sy famporisiana ny hafa amin’ny fahaizana mitarika.

Manana ivon-toerana ara-panatanjahantena isika, toy ny Académie Nationale des Sports (ANS), Institut National de la Jeunesse (INJ), Ecole Normal Supérieure (ENS). Ary manana ihany koa ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena maro manerana ny Nosy izay hahafahana mandray ireo fifaninana ara-panatanjahatena maro.

Ny fitondram-panjakana dia manohana ary mandray anjara feno amin’ny fanandratana avo ny voninahim-pirenena amin’ny alalan’ny fanatanjahantena, izay voarakitra ao amin’ny velirano faha 13 napetraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

Teo am-pamaranana dia nisaotra ny fitondram-panjakana sy ireo mpandray anjara rehetra ny Tale Jeneraly ny INSCAE amin’ny fanatanterahana izao kaonferansa izao izay isany manampy ireo tanora eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny fanatanjahantena.

Autre Articles

TARANJA JUDO: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

TARANJA JUDO: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Notanterahina nandritra ny telo andro nanomboka ny 14 aprily tao am kianja mitafo Ankorondrano ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Judo. Ny sokajin-taona cadets sy junior lahy sy vavy no nanokatra ny fifaninanana . Ny sabotsy 15 aprily dia ny...

TARANJA AVIRON: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA AVIRON: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan'ny Federasionina Malagasy ny taranja Aviron na ny mpivehy laka miamboho, Andriamatoa MOUHIDINE Mohamad, ny 13 aprily 2023....

BASKETBALL: VALANDRESAKA HO AN’NY MPANAO GAZETY.

BASKETBALL: VALANDRESAKA HO AN’NY MPANAO GAZETY.

Nampahafantarina ny 7 aprily 2023, nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety ny mombamomban'ny fanomanana ny "FIBA WORLD CUP U19 2023 sy ny fanomanantenan'ny ANKOAY U19 izay hatao any La Frantsa ny 10 ka hatramin'ny 29 aprily 2023 ho avy izao. Ny...

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY PNUD

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY PNUD

Tonga nitsidika am-panajana an'Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, androany 6 aprily 2023 teto amin'ny biraony Ambohijatovo ny solotenan'ny PNUD monina sy miasa eto Madagasikara, Ramatoa NATASHA Van Rijn. Naneho ny fahavononana...