MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA JUDO: NOTOLORANA MOTO MIARAKA AMIN’NY FANAMIANA FIAROVANA I LAURA RASOANAIVO.

Nandray an’i Laura RASOANAIVO RAZAFY, mpiangaly taranja Judo ary mitazona laharana voalohany eran-tany eo amin’ny sokajy « Junior » latsaky ny 70kg ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, notronin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja judo, Andriamatoa SAID Eric, ny 20 aprily 2023.

Araka ny fangatahany dia notolorana moto miaraka amin’ny fanamiana fiarovana mba hahafahany manenjika fotoana amin’ny fanomanan-tena i Laura RASOANAIVO RAZAFY.

Efa nahazo ny « Chevalier de l’Ordre de Mérite » ny tenany tamin’ny taona 2022.

Hiatrika ny fifaninanana maneran-tany sokajy « senior » izay atao any Doha ny tenany ny faha 7 may 2023 izao tao aorian’ny fahazoany medaly volamena miisa 2 nandritra ny Luanda African Cup tany Angola ny faha 7 hatramin’ny 9 aprily 2023 lasa teo.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia manohana mandrakariva ny fanatanjahantena Malagasy.

Autre Articles

IHOSY: KIANJA MITAFO

IHOSY: KIANJA MITAFO

Nanatanteraka fihaonana ara-tekinika tao Ihosy ny delegasiona izay notarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, notronin' ireo tompon’adraikim-panjakana rehetra tao an-toerana sy ny orinasa miandraikitra sy misahana ny fananganana ny Kianja mitafo mazaka olona...

TOLIARA: FITSIDIHINA KIANJA TAO MANINDAY

TOLIARA: FITSIDIHINA KIANJA TAO MANINDAY

Nandritra ny fitsidiham-paritra izay nataon'ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA tao Toliara dia anisan'ireo toerana notsidihany ihany koa ny tao amin'ny Oniversite Maninday ny faha 13 martsa 2023. Nandritra izany dia nitafa sy...

SAKARAHA: FITSIDIHANA NY KIANJA MITAFO

SAKARAHA: FITSIDIHANA NY KIANJA MITAFO

Tonga nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja mitafo tao sakaraha ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy notronin'ny Solombavambahoaka sy ireo olo-manankaja isan-tsokajiny tao...

TOLIARA: FANOMEZANA FANAMPIANA IREO TRABOINA

TOLIARA: FANOMEZANA FANAMPIANA IREO TRABOINA

Taorian’ny fitsidihana sy fanomezana fanampiana ireo traboina tao amin'ny CEG Antaninarenina izay notarihan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA mivady dia nitohy tao amin'ny kianja Andaboly sy tao amin'ny kaominina Ankililoaka, distrikan'i Toliara II ny fanolorana...

FIKAMBANAN’NY MPIANATRA SIANTIFIKA ETO ANTANANARIVO

FIKAMBANAN’NY MPIANATRA SIANTIFIKA ETO ANTANANARIVO

Nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA module 1 Culture de vision ihany koa ny Fikambanan'ny Mpianatra Siantifika eto Antananarivo, ny 10 martsa 2023 izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora, notronin-dRamatoa Myria Josée...

TOLIARA: FANADIOVANA FAOBE

TOLIARA: FANADIOVANA FAOBE

Nanatanteraka fanadiovana faobe tao an-tampony tanànan'i Toliara taorian'ny fandalovan'ny rivodoza FREDDY, ny 10 Martsa 2023 ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena Atsimo Andrefana sy ireo solontenan'ny fikambanan'ny tanora ao an-toerana. Nandritra...

TOLIARA: FANDALOVAN’NY RIVODOZA FREDDY

TOLIARA: FANDALOVAN’NY RIVODOZA FREDDY

Tonga nijery ifotony ireo traboina sy fahasimbana vokatrin'ny fandalovan'ny rivodoza Freddy tao Toliara ny Praiminisitra NTSAY Christian sy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ary ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin'ny...

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY

Tonga maro sy mavitrika ireo vehivavy mpiasa eto anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay miara mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tao amin'ny kianja Barea Mahamasina niarahana tamin'ireo Tale vehivavy isan-tsokajiny eto anivon'ny...