MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA JUDO: NOTOLORANA MOTO MIARAKA AMIN’NY FANAMIANA FIAROVANA I LAURA RASOANAIVO.

Nandray an’i Laura RASOANAIVO RAZAFY, mpiangaly taranja Judo ary mitazona laharana voalohany eran-tany eo amin’ny sokajy « Junior » latsaky ny 70kg ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, notronin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja judo, Andriamatoa SAID Eric, ny 20 aprily 2023.

Araka ny fangatahany dia notolorana moto miaraka amin’ny fanamiana fiarovana mba hahafahany manenjika fotoana amin’ny fanomanan-tena i Laura RASOANAIVO RAZAFY.

Efa nahazo ny « Chevalier de l’Ordre de Mérite » ny tenany tamin’ny taona 2022.

Hiatrika ny fifaninanana maneran-tany sokajy « senior » izay atao any Doha ny tenany ny faha 7 may 2023 izao tao aorian’ny fahazoany medaly volamena miisa 2 nandritra ny Luanda African Cup tany Angola ny faha 7 hatramin’ny 9 aprily 2023 lasa teo.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia manohana mandrakariva ny fanatanjahantena Malagasy.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...