Nandray an’i Laura RASOANAIVO RAZAFY, mpiangaly taranja Judo ary mitazona laharana voalohany eran-tany eo amin’ny sokajy « Junior » latsaky ny 70kg ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, notronin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja judo, Andriamatoa SAID Eric, ny 20 aprily 2023.
Araka ny fangatahany dia notolorana moto miaraka amin’ny fanamiana fiarovana mba hahafahany manenjika fotoana amin’ny fanomanan-tena i Laura RASOANAIVO RAZAFY.
Efa nahazo ny « Chevalier de l’Ordre de Mérite » ny tenany tamin’ny taona 2022.
Hiatrika ny fifaninanana maneran-tany sokajy « senior » izay atao any Doha ny tenany ny faha 7 may 2023 izao tao aorian’ny fahazoany medaly volamena miisa 2 nandritra ny Luanda African Cup tany Angola ny faha 7 hatramin’ny 9 aprily 2023 lasa teo.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia manohana mandrakariva ny fanatanjahantena Malagasy.