MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FANOLORANA NY MARI-BONINAHI-PIRENENA « Chevalier de l’Ordre National » AN’I JOHN MARIO RANDRIAMANANA dit BIGMAN

Tontosa ny faha 26 aprily 2023 ny fanolorana ny mari-boninahi-pirenena « Chevalier de l’Ordre National » (à titre posthume) an’i John Mario RANDRIAMANANA dit BIGMAN, kintan’ny Bodybuilding, izay nitondra avo ny voninahim-pirenena, tompondaka lefitra manerantany ny taona 2021.

Nanatanteraka izany tamin’ny alalan’ny iraky ny Filoham-pirenena ny Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo faha 6 sy ireo tompon’andraikitra  isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera izay nisolotena an’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihin’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia mbola manamafy hatrany ny teny fankaherezana ho an’ny fianakaviany iray manontolo sy ny fianakaviam-ben’ny bodybuilding.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...