Tontosa ny faha 26 aprily 2023 ny fanolorana ny mari-boninahi-pirenena « Chevalier de l’Ordre National » (à titre posthume) an’i John Mario RANDRIAMANANA dit BIGMAN, kintan’ny Bodybuilding, izay nitondra avo ny voninahim-pirenena, tompondaka lefitra manerantany ny taona 2021.
Nanatanteraka izany tamin’ny alalan’ny iraky ny Filoham-pirenena ny Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo faha 6 sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera izay nisolotena an’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihin’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia mbola manamafy hatrany ny teny fankaherezana ho an’ny fianakaviany iray manontolo sy ny fianakaviam-ben’ny bodybuilding.