Notontosaina teto amin’ny ANS Ampefiloha ny fotoam-pamaranana ny fampiofanana izay natao ny 17 hatramin’ny 20 aprily 2023 lasa teo hoan’ireo mpanentana eo anivon’ny toerana fanetseham-batana.
Ny tanjona dia hampiasaina amin’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny fihetsehana ara-batana mirindra (Éducation et développement de la motricité) izay nokarakarain’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny Akademia Nasionaly momba ny fanatanjahatena (ANS) iarahany amin’ireo mpiara-miombon ’Antoka Fondation Axian sy ny Hetsika Mvola.
Nofaranana ny faha 25 aprily 2023 ny fotoam-pamaranana ny fiofanana teto amin’ny ANS ampefiloha hoan’ireo mpampianatra eo anivon’ny sekoly fanabeazana fototra sy mpanentana ara-panatanjahatena miisa 37 eo anivon’ny boriboritany 6 mandrafitra ny kaominin’Antananarivo renivohitra izay ahitana toerana maromaro toy izao :
- CISCO Tana Ville naome Mpanabe ambaratonga voalohany
- Ny Akany ao amin’ny CUA
- Ny association TANA
- Ny association Grandir dignement
- Associatio Un Enfant c’est l’Avenir
- Association Un Enfant par la main