Notanterahina ny 25 hatramin’ny 27 aprily 2023 tao amin’ny ILO hôtel Ambohidratrimo ny atrik’asa mahakasika ny fanentanana sy fanoloran-tenan’ireo Governora sy ireo Préfet amin’ny fandrindrana ny fampiharana ary ny fanaraha-maso ny fandraisan’ny sehatra maro anjara amin’ny zon’ny ankizy.
Nandray anjara tamin’izany ny eto anivon’ny Minisitera, izay tonga nifanakalo hevitra sy nitondra ny anjara tandrifin’ny tanora
manoloana ny zon’ny ankizy nandritra ity atrik’asa ity.