MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIFIDIANANA IZAY TANORA MPITARIKA MENDRIKA MANERANA AN’I AFRIKA 2023.

Ho tanterahina any Maroc ny 10 hatramin’ny 15 may 2023 ho avy izao ny famaranana ny fifidianana izay tanora mpitarika mendrika manerana ny Afrika na ny  » Young African Leadership Award 2023″ ny taona 2023.

Noraisin’ Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tao amin’ny biraony teto Ambohijatovo, ny 28 aprily 2023 i Jimmy RANITRATSILO izay hisolotena an’i Madagasikara mandritra izany.

Ho fanohanana ity tanora mpitarika ity dia nanolotra ny tapakila izay hahafahany hihazo an’i Maroc ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Mirary soa ho azy hahazo ny vokatra tsara ary hitondra avo ny voninahim-pirenena.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...