Ho tanterahina any Maroc ny 10 hatramin’ny 15 may 2023 ho avy izao ny famaranana ny fifidianana izay tanora mpitarika mendrika manerana ny Afrika na ny » Young African Leadership Award 2023″ ny taona 2023.
Noraisin’ Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tao amin’ny biraony teto Ambohijatovo, ny 28 aprily 2023 i Jimmy RANITRATSILO izay hisolotena an’i Madagasikara mandritra izany.
Ho fanohanana ity tanora mpitarika ity dia nanolotra ny tapakila izay hahafahany hihazo an’i Maroc ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Mirary soa ho azy hahazo ny vokatra tsara ary hitondra avo ny voninahim-pirenena.