MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

LANONANA FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIVORIAMBE ARA-POTOANA VOALOHANY EO ANIVON’NY ANTENIMIERA

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 02 may 2023 ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany eo anivon’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza sy teo amin’ny Antenimierandoholona Anosy.

Tonga nanatrika izany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, izay notarihan’ny Praiministra, Andriamatoa NTSAY Christian.

Isan’ireo Ministra nanotrona izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA

Ho dinihana mandritra ireto fivoriana ara- potoana voalohany ireto ny mikasika ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny teti-bola-panjakana nasiam-panitsiana na ny “LFR 2023” izay ahitana taratra ny vola hanaovana fifidianana.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....