MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

LIFESKILLS FANOITRA: FIOFANANA NY MODULE 2 SY 3

Tontosa ny Talata 2 may 2023 tao amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny fiofanana Lifeskills Fanoitra module 2 sy module 3 mahakasika ny lohahevitra « Fanabeazana maha-olom-pirenena vanona, fandriampahalemana, ady amin’ny kolikoly, fiarovana ny tontolo iainana » sy ny « Fanabeazana amin’ny alalan’ny fialamboly », ho tohin’ny module 1 « Kolotsainan’ny vina » izay natomboky ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahatena, tarihin’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA nandritra ny telo volana voalohan’ity taona ity teto am’ny faritra Analamanga, ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa Fanoitra mandritra ny 5 taona.

Tanora avy ao amin’ny Fikambanana UENNA na « Union des Etudiants Naturalistes Normaliens d’Antananarivo » sy avy ao amin’ny SENS na « Solidarité des Etudiants Normaliens Supérieurs » no nisitraka izany fiofanana izany.

Notanterahana ihany koa ny fanentanana mahakasika ny ady amin’ny zava-mahadomelina « roro » araka ny tsoa-kevitra navoakan’ny tanora niaraka tamin’ny Ministera ny sabotsy lasa teo, ny anapariahana ny fanentanana ny tanora malagasy rehetra amin’ny ady amin’io zava-mahadomelina io. Nentanina izy ireo mba handray andraikitra sy hanao izay azony hatao eo amin’ny mpiara-belona ho fiarahana mientana amin’izany.

Tonga nanotrona ary nirary soa ireo tanora ny Tale jeneraly misahana ny tanora, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY sy ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...