Nandray ny masoivohon’ i Maorisy monina sy miasa eto Madagasikara, Ramatoa Marie Noëlle Françoise LABELLE tao amin’ny toeram-piasany Ambohijatovo, ny 04 may 2023 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA.
Fiatrehana sy fifanohanana amin’ny lalaon’ny Nosy izay hatao eto Madagasikara no isany voaresaka nandritra izany sy ny eo amin’ny lafiny fampiofanana hoan’ny tanora.
Eo am-panatanterahana ny asa rehetra mahakasika ny fotodrafitrasa handraisaina ny lalaon’ny Nosy i Madagasikara ankehitriny. Efa fantatra ihany koa ireo toerana rehetra hivantanan’ireo atleta sy ireo delegasiona rehetra ary efa eo ampikarakarana ny fahatongavan’ny fivorian’ny CIJ na vaomiera iraisam-pirenena misahana ny lalaon’ny ny Nosy izay hatao ny 18 ka hatramin’ny 23 may 2023 ho avy izao ny fitondram-panjakana.
Nisaotra sy nankasitraka ny Minisitera Ramatoa Marie Noëlle Françoise LABELLE nandritra ity fihaonana ity ary nilaza fa hitondra ny tatitra tsara any amin’ny Governemanta Maorisiana.