MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY AMBASADAORON’ I INDE

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana an’ Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tao amin’ny biraony teto Ambohijatovo ny Ambasadaoron’i Inde monina sy miasa eto Madagasikara, Andriamatoa Bandaru WILSONBABU, ny 04 may 2023.

Fametrahana ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny maro eo amin’ny firenena roa tonta no voaresaka nandritra ny fihaonana.

Anisan’izany ny mahakasika ny lalao ny Nosy, eo ihany koa ny fanomanana ny fivoriana izay handinihina ireo fanampiana hataon’ny

Fanjakana Indianina izay hiarahana amin’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Tanora.

Vonona ny hanohana ny tanora Malagasy ny amin’ny sehatra maro toy ny fianarana, ny fandraharahana ary ny fikarohana ara-kolontsaina ny Ambasadaoron’i Inde.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...