MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nandritra ny  » Journée des médaillés » tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 07 may 2023, ireo atleta Malagasy namiratra sy nitondra vokatra tsara teo amin’ny fifaninanana kaontinanta Afrikanina sy ny iraisam-pirenena nanomboka ny taona 2019, teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, ny rugby vehivavy, ny atletisma, ny taekwondo, ny tolona ary ny judo.

Notolorana medaly sy ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National, Commandeur de l’Ordre de Mérite Sportif ary ny Chevalier de l’Ordre de Mérite de Madagascar » ireo atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto nandritra ny lanonana fanomezana mari-boninahitra.

Zava-dehibe manokana amin’ny fitondram-panjakana ny fanohanana sy fanampiana ireo mpanao fanatanjahantena. Ny fandresena izay azo nareo hoy ny Filoha  dia fandresena ho an’i Madagasikara ary mamelona sy mampiredareda indray ny afon’ny hambompo-pirenena anatin’ny Malagasy tsirairay.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia misaotra sy manohana mandrakariva ary mankasitraka ny ezaka lehibe vitan’ireo atleta rehetra miaro ny voninahim-pirenena.

Autre Articles

DIABEN’NY VEHIVAVY

DIABEN’NY VEHIVAVY

Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy izao dia nanatanteraka diabe niainga teo amin'ny kianja mitafo Ankorondrano hatrany amin'ny kianja Alarobia ireo vehivavy rehetra eto anivon'ny Minisitera izay teo ambany fitarihan'ny vadin'ny Filohan'ny...

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo ny mpanazatra ny ekipam-pirenena BAREA, Andriamatoa Nicolas DUPUIS,ny 06 martsa 2023. Niarahaba sy nirary soa an'Andriamatoa Minisitra ny...

LIFESKILLS FANOITRA

LIFESKILLS FANOITRA

Anisan'ny asa sy vina ary paikady napetraky ny Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny hisitrahan'ny tanora maherin'ny 3000 ny fampiofanana LIFESKILLS FANOITRA izay karakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin'ny alalan'ny Fitaleavana rehetra...

FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

Taorian'ny fivoriana ara-teknika momba ny lalaon'ny nosy andiany faha-11 izay niarahana tamin'ireo Filohan'ny Federasionina sy ireo Tale Teknika eo anivon'ny federasiona tsirairay avy ny 28 febroary 2023 lasa teo dia efa miditra tanteraka ao anatin'ny asa...

FANOMANANA NY JEUX DE LA FRANCOPHONIE ANDIANY FAHA 9

FANOMANANA NY JEUX DE LA FRANCOPHONIE ANDIANY FAHA 9

Ho fanomanana ny fiatrehana ny lalao iraisan'ny firenena miteny frantsay na ny " Jeux de la Francophonie " andiany faha 9 izay ho tanterahina any Congo Kinshasa ny 29 jolay hatramin'ny 6 Aogositra 2023 hoavy izao dia nanatanteraka fivoriana izay niarahana tamin'ireo...