MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nandritra ny  » Journée des médaillés » tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 07 may 2023, ireo atleta Malagasy namiratra sy nitondra vokatra tsara teo amin’ny fifaninanana kaontinanta Afrikanina sy ny iraisam-pirenena nanomboka ny taona 2019, teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, ny rugby vehivavy, ny atletisma, ny taekwondo, ny tolona ary ny judo.

Notolorana medaly sy ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National, Commandeur de l’Ordre de Mérite Sportif ary ny Chevalier de l’Ordre de Mérite de Madagascar » ireo atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto nandritra ny lanonana fanomezana mari-boninahitra.

Zava-dehibe manokana amin’ny fitondram-panjakana ny fanohanana sy fanampiana ireo mpanao fanatanjahantena. Ny fandresena izay azo nareo hoy ny Filoha  dia fandresena ho an’i Madagasikara ary mamelona sy mampiredareda indray ny afon’ny hambompo-pirenena anatin’ny Malagasy tsirairay.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia misaotra sy manohana mandrakariva ary mankasitraka ny ezaka lehibe vitan’ireo atleta rehetra miaro ny voninahim-pirenena.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...