Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nandritra ny » Journée des médaillés » tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 07 may 2023, ireo atleta Malagasy namiratra sy nitondra vokatra tsara teo amin’ny fifaninanana kaontinanta Afrikanina sy ny iraisam-pirenena nanomboka ny taona 2019, teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, ny rugby vehivavy, ny atletisma, ny taekwondo, ny tolona ary ny judo.
Notolorana medaly sy ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National, Commandeur de l’Ordre de Mérite Sportif ary ny Chevalier de l’Ordre de Mérite de Madagascar » ireo atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto nandritra ny lanonana fanomezana mari-boninahitra.
Zava-dehibe manokana amin’ny fitondram-panjakana ny fanohanana sy fanampiana ireo mpanao fanatanjahantena. Ny fandresena izay azo nareo hoy ny Filoha dia fandresena ho an’i Madagasikara ary mamelona sy mampiredareda indray ny afon’ny hambompo-pirenena anatin’ny Malagasy tsirairay.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia misaotra sy manohana mandrakariva ary mankasitraka ny ezaka lehibe vitan’ireo atleta rehetra miaro ny voninahim-pirenena.