Nandray ny delegasiona avy amin’ny iraka manokana ny vondrona Afrikanina misahana ny tanora izay notarahin-dRamatoa CHIDO MPEMBA Cleopatra ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 11 may 2023 tao amin’ny biraony, Ambohijatovo.
Noresahana nandritra izany ny fanomanana ny « Forum Humanitaire pour la Jeunesse » izay hotanterahina eto Madagasikara ny faha 15 hatramin’ny 17 may 2023 izao, ao amin’ny Hotel Novotel Alarobia.
Nanamafy izy ireo fa hisy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ho fampandrosoana ny tanora Malagasy eo amin’ny sehatra maro.