Tonga nitsidika tamin’ny fomba am-panajana an’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny Federasiona Malagasy ny taranja tennis, izay tarihan’ny Filohany, Andriamatoa Soloniaina RAKOTOMANIRAKA, ny 11 may 2023.
Voaresaka nandritra izany ny fanomanana ireo Atleta amin’ny fihatrehana ny lalaon’ny Nosy ary naneho fahavononana ny roa tonta amin’ny fampandrosoana ity taranja ity.