MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIOFANANA MOMBA NY FAHAIZANA NOMERIKA

Notanterahana ny 12 may 2023, tao  amin’ny HABAKA Tsimbazaza ny fanokafana ny fiofanana momba ny fahaizana nomerika niarahana tamin’ireo iraky ny vondrona Afrikanina misahana ny tanora, izay notarihan-dRamatoa Chido Mpemba.

Nisolotena an’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena nandritra izany ny Tale Jeneraly misahana ny tanora, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY sy ireo mpikambana ao anatin’ny Kabinetra eto anivon’ny Minisitera.

Mikendry ny hampitaova ny tanora Malagasy amin’ny fahaizana mampitombo ny orinasa madinika amin’ny fametrahana azy ireo amin’ny fampiasam-bola sy fananganana orinasa maharitra ho amin’ny hoavy no tanjona amin’izany.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....