Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an’i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin’ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany.
Tonga nanontrona azy ireo ny Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY izay nisolotena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA.
Ny fitondram-panjakana no miantoka tanteraka ny fampandehanana ireto delegasiona ireto ary nisy ny fanolorana fanamiana sy fitaovana ho azy ireo ho entina hiatrehana izany fifaninanana izany.
Nisaotra sy nankasitraka ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny Federasiona Malagasy ny taranja Basketball sy ireto delegasiona ireto.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia mirary soa sy fahombiazana ireto atleta Malagasy izay hitondra avo sy hiaro ny voninahim-pirenena.