MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

« DEUXIÈME FORUM HUMANITAIRE DE L’ UNION AFRICAINE POUR LA JEUNESSE « 

Notanterahana ny 15 may 2023, tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa andinihana ny fahafahan’ny tanora hamaha ny krizy manjo ny olona aty Afrika.

Natao ity forum ity entina hanampiana ny tanora sy hiaraha-misalaha amin’ny ireo tanora misehatra amin’ny fiatrehana ny seho na olana voajanahary, na ihany koa ara-piaraha-monina, ka entina hanampiana azy ireo sy hanamafisana ihany koa ny fifampizarana amin’ny tanora Afrikanina rehetra.

Aharitra telo andro ity atrikasa ity, izay arahina valan-dresaka ifanaovan’ireo tanora sy mpisehatra isan-karazany avy amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny « Union Afrcaine » no tonga nanotrona sy nikaon-doha mandritra izany ho fampiharana ny tetiarana 2063.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, notronon’ny Tale Jeneraly misahana ny tanora, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY ary ireo Tale isa-tsokajiny mpiara-miasa eto anivon’ny Minisitera.

Nandritra ny lahateniny dia nankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka rehetra sy ny « Union Africaine » ny tenany amin’ny fikelezan’izy ireo ny amin’ny fanatanterahana izao atrikasa izao.

Naneho ny fisaorany ihany koa ny tenany ny amin’ny nisafidianana an’i Madagasikara izay mandray izao atrikasa izao.

« Manan-danja be ny tanora satria izy ireo no kitro hifaharan’ny fampandrosoana » hoy Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin'ny firenena mikambana ao amin'ny YouthConnekt Afrika...

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin'ny firenena Afrikanina samihafa eo amin'ny taranja Basket Ball...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin'ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain'ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ)....