Notanterahana ny 15 May 2023 tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanolorana ireo fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ireo atleta izay tafiditra amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023. Voakasika amin’izany ny taranja Athlétisme, Badminton, Haltérophilie ary ny Tennis de table.
Tafiditra ao anatin’ny paikady napetraky ny Fitondram-panjakana ny fanohanana ara-pitaovana ireo atleta Malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay hatao eto Madagasikara ny volana Aogositra ho avy izao. Noho ny fiaraha miasa ara-teknika eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Sinoa no nahazoana izao fitaovana izao, ary namafisina tamin’ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta izany, izay natrehan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.
Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny « Chargé d’affaires », Andriamatoa ZHANG Wei, izay nisolotena ny masoivohon’i Chine miasa sy monina eto Madagasikara, niaraka tamin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA ary ireo Minisitra mpiahy ny taranja voakasika izany.
Nisaotra ny Governemanta Sinoa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena nandritra ny lahateniny.
Ary nankasitraka ihany koa ny Filoham-pirenena amin’ny fandavantenany amin’ny fametrahana ny paikady rehetra hampandrosoana ny firenena ka tsy diso anjara amin’izany ny fanatanjahantena.