Nigadona ny 17 May 2023 teto Antananarivo ireo mpikambana ao amin’ny vaomiera iraisam-pirenena misahana ny Lalaon’ny Nosy.
Tonga nitsena azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sy ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.
Hanatanteraka ny fivorian’ny CIJ izay hatao ny faha 18 hatramin’ny faha 21 May 2023 izao izy ireo izay mahakasika ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy sy hijerena ireo fotodrafitrasa hanaovana ireo lalao rehetra sy ireo toerana andraisana ireo atleta ary delegasiona ofisialy avy amin’ny firenena mpandray anjara rehetra.