MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FAHATONGAVAN’NY VAOMIERA IRAISAM-PIRENENA MISAHANA NY LALAON’NY NOSY

Nigadona ny 17 May 2023 teto Antananarivo ireo mpikambana ao amin’ny vaomiera iraisam-pirenena misahana ny Lalaon’ny Nosy.

Tonga nitsena azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa  André Haja RESAMPA sy ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.

Hanatanteraka ny fivorian’ny CIJ izay hatao ny faha 18  hatramin’ny faha 21 May 2023 izao izy ireo izay mahakasika ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy sy hijerena ireo fotodrafitrasa hanaovana ireo lalao rehetra sy ireo toerana andraisana ireo atleta ary delegasiona ofisialy avy amin’ny firenena mpandray anjara rehetra.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...