MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FAMARANANA NY « DEUXIÈME FORUM HUMANITAIRE DE L’ UNION AFRICAINE POUR LA JEUNESSE « 

Nifarana ny faha 17 may 2023, tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny « Deuxième forum humanitaire de l’Union Africaine pour la jeunesse ».

Naharitra telo andro ny faharetan’ity fikaonandoha ity ary nandritra izay fotoana izay no nandinihana ny fomba hanamafisina ny fanolorantenan’ny tanora eo amin’ny sehatry ny fanampiana maha-olona.

Tonga nanome voninahitra izany famaranana izany ny Tale Jeneraly misahana ny tanora, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, izay nisolotena an’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nisaotra sy nankasitraka ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa André Haja RESAMPA ireto vondron’Afrikanina ireto tamin’ny fampiantranoana ity forum andiany faharoa ity sy ny kalitaon’ny fandraisana teto Madagasikara.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...