MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA IRAISAM-PIRENENA MOMBAN’NY LALAON’NY NOSY (CIJ)

Tanterahana eto Madagasikara ny faha 18 hatramin’ny faha 21 may 2023 izao ny fivorian’ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasim-be Indiana izay fivoriana mahakasika ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay ho tanterahana eto Madagasikara ny volana Aogositra izao.

Firenena miisa 7 mandrafitra ny CIJ no mandray anjara amin’izany toy ny: Maurice, Maldives, Mayotte, Comores, La Réunion, Seychelles ary Madagasikara.

Tonga nanokatra izany fivoriana izany tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotel Novotel Alarobia, ny faha 18 May 2023, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sy ireo mpiara-miasa aminy eto anivon’ny Minisitera.

Tamin’izany no nanambarany fa vonona tanteraka ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy 2023 ary mandritra ity fivoriana ity no hanaovan’ireo mpikambana ao amin’ny CIJ ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena handraisana izany fifaninanana izany.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...