MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA IRAISAM-PIRENENA MOMBAN’NY LALAON’NY NOSY (CIJ)

Tanterahana eto Madagasikara ny faha 18 hatramin’ny faha 21 may 2023 izao ny fivorian’ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasim-be Indiana izay fivoriana mahakasika ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay ho tanterahana eto Madagasikara ny volana Aogositra izao.

Firenena miisa 7 mandrafitra ny CIJ no mandray anjara amin’izany toy ny: Maurice, Maldives, Mayotte, Comores, La Réunion, Seychelles ary Madagasikara.

Tonga nanokatra izany fivoriana izany tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotel Novotel Alarobia, ny faha 18 May 2023, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sy ireo mpiara-miasa aminy eto anivon’ny Minisitera.

Tamin’izany no nanambarany fa vonona tanteraka ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy 2023 ary mandritra ity fivoriana ity no hanaovan’ireo mpikambana ao amin’ny CIJ ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena handraisana izany fifaninanana izany.

Autre Articles

BASKETBALL: AFROBASKET U18, ANTSIRABE

BASKETBALL: AFROBASKET U18, ANTSIRABE

Tontosa ny 21 Jolay 2022 tao amin'ny AROTEL Antsirabe ny valan-dresaka hoan'ny mpanao gazety izay niarahana tamin'ny Federasionina Malagasy ny taranja Basketball (FMBB) sy ny Komity mpikarakara ny "AFROBASKET U18" (COCAN) ho fanolorana amin'ny fomba ofisialy ity lalao...

BETROKA: FITOKANANA NY « MAISON DES ASSOCIATIONS »

BETROKA: FITOKANANA NY « MAISON DES ASSOCIATIONS »

Tontosa ny 06 Jolay 2022 tao Betroka ny fitokanana tamin'ny fomba ofisialy ny "Maison des Associations Réseau Andriry Mivoatsy". Isaorana ireo mpiara-miombon'antoka " UN PBF - Fonds pour la Consolidation de la paix" niara niasa amin'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny...

BETROKA: FIOFANANA LIFE SKILLS FANOITRA

BETROKA: FIOFANANA LIFE SKILLS FANOITRA

Notanterahana tao Betroka nanomboka ny 01 Jolay 2022 ary naharitra efatra (4) andro ny fampiofanana mahakasika ny "Life Skills Fanoitra" na ny fahalalana fototra ho entina mahomby eo amin'ny fiainana ho an'ny Tanora. Voafidy ho distrika filamatra amin'ny fampiharana...

AFROBASKET U18

AFROBASKET U18

Notanterahana ny 04 Jolay 2022 teny amin'ny Hôtel RADISSON BLU ny fampahafantarana voalohany ny fandraisan'i Madagasikara ny Afrobasket U18. Naseho nandritra izany ny sary famantarana ity fifaninanana ity ary androany ihany koa no nampahafantarana tamin'ny fomba...

TARANJA BASKET BALL: CRITÉRIUM NATIONAL

TARANJA BASKET BALL: CRITÉRIUM NATIONAL

Nosokafana ny faha 02 Jolay 2022 tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny kianja Ankatso ny "critérium national" ho an'ny sokajy latsaky ny 12 taona eo amin'ny taranja basket ball. Maharitra folo (10) andro ity fifaninanana ity ary mpilalao miisa 900 avy amin'ny...