Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faha 19 May 2023 ny sary famantarana sy ny ny hira faneva ny Lalao ny Nosy andiany faha 11 izay ho tanterahina eto Madagasikara ny volana Aogositra ho avy izao.
Nandritra ny lahateny nataon’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nisaorany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA amin’ny fitarihany ny firenena amin’ny fomba mahomby ka marik’izany ny fandraisan’i Madagasikara izao lalao goavana eto amin’ny ranomasimbe Indianina izao.
« Azo antoka fa ho tsara lavitra noho ny teo aloha ny fandraisantsika ity lalaon’ny Nosy ity ary efa hita misongadina manomboka amin’ity lanonana ity ny mampiavaka azy » hoy hatrany ny tenany.
Nanambara hatrany Andriamatoa Minisitra fa anisany andro manan-danja ho an’ny mpanao fanatanjahantena ny andro androany izay hanamarika ny fandresena ao anatin’ny firaisan-kina sy fiaraha mientanana.
Tonga nanome voninahitra izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny Filohan’ny Antenimeran-doholona, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fantatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, notronin’ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Governemanta sy ireo olo-manankaja maro samihafa ary ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny Nosy.
Manomboka izao ny sary famantarana dia tsy hijanona ho fampafantarana ivelany fotsiny fa hiantoka ny fifandraisina amin’ny ireo Nosy rahavavy mandritra ny lalao ka eo anolon’izany ihany koa no hitondrana ny hira faneva izay handravaka ny lalao.