Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an’ny daholobe na ny « Athlétisme pour tous » izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin’ny sehatry ny hazakazaka sy ny taranja atletisma izy ity.
Ny tanjona tamin’izao hetsika izao dia ny fampiroboroboana ny taranja atletisma sy famporisihana ny tanora mpiangaly izany hiditra sy hanatevina anatin’ny klioba.
Tonga nanotrona izany ny Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny Minisitera, Andriamatoa Haja RALAIKOTO, sy ireo Tale isan-tsokajiny izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA.
Naneho fankasitrahana ho an’ny Federasiona Malagasy ny taranja Atletisma sy ny mpikarakara ary ny mpandray anjara rehetra ny tenany nandritra ny lahateniny ary nanamafy hatrany amin’ny fanohanan’ny Minisitera ny fanatanjahantena Malagasy.