MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

JIOI 2023: FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA IRAISAM-PIRENENA MOMBAN’NY LALAON’NY NOSY

Nifarana ny 21 May 2023 ny fivoriana iraisan’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana, izay nandritra ny 4 andro ny 18 hatramin’ny 21 May 2023.

Firenena 7 no nandray anjara tamin’izany dia Maurice, Maldives, Mayotte, Comores, La Réunion, Seychelles ary Madagasikara.

Araka ny tapaka nandritra ity fivoriana ity dia taranja miisa 17 no hifaninanana mandritra ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay ho tanterahina eto Madagasikara ny faha 25 aogositra hatramin’ny 03 septambra 2023 ho avy izao.

– Athlétisme sy Para Athlétisme

– Basketball 5×5 sy 3×3

– Boxe

– Badminton

– Tennis de table

– Football

– Cyclisme

– Haltérophilie

– Handball

– Judo

– Lutte

– Natation sy Para Natation

– Rugby à 7

– Karaté

– Pétanque

– Tennis

– Volley ball

Autre Articles

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin'ny firenena mikambana ao amin'ny YouthConnekt Afrika...

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin'ny firenena Afrikanina samihafa eo amin'ny taranja Basket Ball...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin'ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain'ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ)....