Nandray ny masoivohon’ i Maroc miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Mohammed BENJILANY, tao amin’ny toeram-piasany Ambohijatovo, ny 23 may 2023 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA.
Voaresaka nandritra izany ny filan-kevitry ny Minisitra mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikana, izay hatao any Addis-Abeba ny 26 may 2023 izao izay hanasana ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena
Nisy ny fiaraha miasa teo amin’ny Madagasikara sy Maroc ny taona 2020 izay ho asiam-panavaozana ary ny fifanaraham-piaraha-miasa izay mahakasika « Plan d’action » momba ny fanatanjahantena natao ny taona 2016 izay hiriana ny hamerina izany indray.
Nanolotra fisaorana ho an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny masoivohon’i Maroc tamin’ny fandraisana azy ary nanamafy ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fampandrosona ny fanatanjahantena sy ireo sehatra hafa.