MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHON’ I MAROC

Nandray ny masoivohon’ i Maroc miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Mohammed BENJILANY, tao amin’ny toeram-piasany Ambohijatovo, ny 23 may 2023 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA.

Voaresaka nandritra izany ny filan-kevitry ny Minisitra mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikana, izay hatao any Addis-Abeba ny 26 may 2023 izao izay hanasana ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

Nisy ny fiaraha miasa teo amin’ny Madagasikara sy Maroc ny taona 2020 izay ho asiam-panavaozana ary ny fifanaraham-piaraha-miasa izay mahakasika « Plan d’action » momba ny fanatanjahantena natao ny taona 2016 izay hiriana ny hamerina izany indray.

Nanolotra fisaorana ho an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny masoivohon’i Maroc tamin’ny fandraisana azy ary nanamafy ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fampandrosona ny fanatanjahantena sy ireo sehatra hafa.

Autre Articles

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin'ny firenena mikambana ao amin'ny YouthConnekt Afrika...

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin'ny firenena Afrikanina samihafa eo amin'ny taranja Basket Ball...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin'ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain'ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ)....