Nandray ny tompon’andraikitry ny Get in to Rugby 2.0 avy eo anivon’ny World Rugby, Ramatoa Ninette KRUYT, ny Tale misahana ny taniketsan’ny Fanatanjahantena eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa ANDRIANIAINA Tiavina Arnaud sy ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Rugby, Andriamatoa RAKOTOMALALA Marcel, ny 23 may 2023 tao amin’ny biraon’ny Malagasy Rugby Ankorondrano.
Nandritra izany dia nisy ny dinika sy fifanankalozana ho entina mametraka ny tetikasa GIR 2.0.
Ny tanjona amin’izany dia hahafahana manomana ireo taninketsan’ny rugby eto Madagasikara. Antenaina ny fahombiazan’ity tetikasa ity mba ho fampandrosoana ny fanatanjahantena Malagasy hatrany.