MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA RUGBY: TETIKASA GET IN TO RUGBY 2.0

Nandray ny tompon’andraikitry ny Get in to Rugby 2.0 avy eo anivon’ny World Rugby, Ramatoa Ninette KRUYT, ny Tale misahana ny taniketsan’ny Fanatanjahantena eto anivon’ny  Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa ANDRIANIAINA Tiavina Arnaud sy ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Rugby, Andriamatoa RAKOTOMALALA Marcel, ny 23 may 2023 tao amin’ny biraon’ny Malagasy Rugby Ankorondrano.

Nandritra izany dia nisy ny dinika sy fifanankalozana ho entina mametraka ny tetikasa GIR 2.0.

Ny tanjona amin’izany dia hahafahana manomana ireo taninketsan’ny rugby eto Madagasikara. Antenaina ny fahombiazan’ity tetikasa ity mba ho fampandrosoana ny fanatanjahantena Malagasy hatrany.

Autre Articles

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....

FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

Nihaona tamin'ny masoivohon'i Korea monina sy miasa eto Madagasikara, Andriamatoa SON Yongho, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA ny faha 12 may 2023 lasa teo. Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta eo...