MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIHAONAMBEN’NY KARATE MALAGASY

Notanterahana ny 27 may tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny lanonana fanokafana ny fihaonamben’ny Karate Malagasy izay mifanindran-dalana amin’ny fiadiana ny « Coupe du Président » izay haharitra roa andron’ny 27 hatramin’ny 28 may 2023.

Nandritra izany no nakarina eo amin’ny grady tempana mainty 6ème Dan ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA amin’ny maha mpikatroka ny taranja Karaté ny tenany ary notolorana ny mari-boninahitra « Commandeur de l’Ordre National » ihany koa i Grand Maitre Hanshi Réné RAMANITRANDRASANA, 10 ème Dan, izay Malagasy manana ny laharana ambony indrindra amin’ny karaté.

Fifehezantena sy lalana makany amin’ny fahombiazana ary voafatotry ny fitsipi-pitondrantena ny Karaté.

Loharano sy aingam-panahy ary fomba iray ahazoana heripo anaty faharetana mba hahombiazana amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana ity taranja ty hoy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nandritra ny lahateniny.

Tonga nanome voninahitra izany ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ny Filohan’ny Antenimeran-doholona, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, notronin’ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny Governemanta ary ireo olo-manankaja maro samihafa.

Autre Articles

FAMPANANANA ASA SY FAMORONANA ASA HO AN’NY TANORA

FAMPANANANA ASA SY FAMORONANA ASA HO AN’NY TANORA

Taorian'ny fikaonandoham-pirenena mahakasika ny asa sy ny fampiroboroboana ny tanora ny faha-05 sy faha-06 May 2022 lasa teo, izay nitondra lohahevitra hoe "Tanora iray asa mendrika iray" dia nanatanteraka fihaonana tamin'ireo tanora ny Observatoire de la Jeunesse...

FIHAONANA TEO AMIN’NY FIBA AFRICA

FIHAONANA TEO AMIN’NY FIBA AFRICA

Taorian'ny lalao dia nisy ny fihaonana teo amin'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto sy ireo mpikambana ao amin'ny FIBA AFRICA izay notarihan'ny Filohany, Andriamatoa Anibal Manave. Nampita ny fiarahabana an'i Madagasikara ny FIBA Africa tamin'ny fandraisana sy...

AFROBASKET U18: SOKAJY LEHILAHY

AFROBASKET U18: SOKAJY LEHILAHY

MADAGASCAR  54 / 81  EGYPTE Miarahaba ny ekipan'i EGYPTE sokajy lehilahy ary ny ekipan'i MALI sokajy vehivavy voahosotra tompondakan'i Afrika nandritra ny fiadiana ny Afrobasket U18, izay natao ny faha 04 hatramin'ny 14 Aogositra 2022. Tonga nanome voninahitra ity...

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA : 12 Aogositra

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA : 12 Aogositra

Tamin'ny 17 Desambra 1999 no nankatoavina tao amin'ny fivoriamben'ny firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora ny faha-12 Aogositra mba: - hahafahan’izy ireo mampita ny hetahetany amin'ny fampandrosoana. - hahafahan’ireo tompon’andraikitra...

MAHAJANGA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

MAHAJANGA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Notanterahana tao Mahajanga ny 09 hatramin'ny faha 11 Aogositra 2022 ny fampiofanana mahakasika ny "Life Skills Fanoitra" na ny fahalalana fototra ho entina mahomby eo amin'ny fiainana ho an'ny Tanora. Tanora avy amin’ny distrika 18 eto Madagasikara no nanao ny...

FIHAONAN’NY BAREA BEACH SOCCER TAMIN’NY FILOHAM-PIRENENA

FIHAONAN’NY BAREA BEACH SOCCER TAMIN’NY FILOHAM-PIRENENA

Nandritra ny fandalovan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao Mahajanga, dia nandray ireo mpilalao baolina kitra izay mandrafitra ny ekipam-pirenena Beach Soccer ny tenany Tamin’ny fandraisam-pitenenana izay nataony no niarahabany ireto mpilalao izay nitondra avo ny...