FAMPIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian’ny nahavitan’ireo tanora avy amin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy ny module 1 , culture de vision na ny kolontsainan’ny vina dia nisitraka fiofanana mahakasika ny « module » manaraka indray izy ireo.

Tontosa tao amin’ny ANS Ampefiloha ny 27 may 2023 tontolo andro ny fampiofanana Lifeskills Fanoitra modules 2 hatramin’ny 5 :

– Ny fahaiza-miaina sy fanabeazana olom-pirenena vanona

– Ny asa fandraharahana ho an’ny tanora

– Ny fahasalamana sy ny fiarovana ny tanora

– Ny fialamboly

Ho an’ireo tanora avy ao amin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy ity.