MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ANTENIMIERAM-PIRENENA: TATITRA TEO ANOLOAN’NY SOLOMBAVAMBAHOAKA

Tonga nanao tatitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza mahakasika ny zava-bitan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tao aorian’ny nanendrena azy ny volana febroary 2023, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 31 may 2023.

I- Eo amin’ny fanorenana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena :

-Kianja manarapenitra valo (08),  mahazaka olona 1.000 no vita sy voatokana tany amin’ny Distrikan’i Ambovombe sy ny Distrikan’i Ambositra.

-Ankoatra ireo dia mbola misy koa ireo fotodrafitrasa eo an-dalam-panamboarana, izay hovitaina amin’ity taona ity toy ny:

-Kianja  manarapenitra mahazaka olona efatra arivo ao Morondava sy olona enina arivo ao Antsiranana I.

-Kianja manarapenitra mahazaka olona arivoao amin’ny Distrika miisa 18 : Mananjary, Vohipeno, Antsohihy, Mandritsara, Befandriana Nord, Port-Berger, Antsirabe I, Ambatolampy, Betafo, Tsiroanomandidy, Mahanoro, Brickaville, Moramanga, Ambatondrazaka, Ankazobe, Ambilobe, Nosy Be, Sambava.

-Kianja mitafo manarapenitra mahazaka olona efatra arivo isa ao Toamasina, Mahajanga ary Toliary.

-Kianja mitafo manarapenitra mahazaka olona mpijery arivo (izany hoe arivo seza) ao Antalaha, Antsohihy, Mandritsara, Maintirano, Mahanoro, Fenoarivo Atsinanana, Betafo, Ihosy, Ikongo, Manakara, Farafangana, Sakaraha, Ampanihy, Ambovombe ary Taolagnaro;

-Dobo filomanosana Olaimpika ao Mahajanga.

II- Mahakasika ny fikarakarana sy ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 eto Madagasikara :

-Nankatoavina nandritra ny fivoriana faha-3 nataon’ny Filankevitra Iraisampirenena ho an’ny Lalaon’ny Nosy na CIJ tamin’ny 17 ka hatramin’ny 20 may fa taranjam-panatanjahantena miisa 17 no hifaninana amin’ny Lalaon’ny Nosy.

-Hovitaina mialoha ny faran’ny volana Jolay 2023 ny fanavaozana ny fotodrafitrasa handraisana ny Lalao rehetra.

-Atleta 45 avy amin’ny taranjam-panatanjahantena efatra dia ny taranja atelisma, badminton, fibatana fonjamby, ary tennis de table no nahazo fiofanana avo lenta maharitra efa-bolana ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-panatanjahantena Sinoa sy Malagasy.

-Araky ny fandaminana dia hanomboka amin’ity volana jona ity ny fanombohan’ny “regroupement” sy ny fandefasana any ivelany ireo izay voasokajy hisitraka izany. Ary hisy teknisiana vahiny ihany koa ho avy eto an-toerana ampanao fiofana ireo atleta Malagasy.

III- Mahakasika ny fandaminana ny fitantanana ireo federasiona ara-panatanjahantena:

-Fanalana na fanesorana ny sazy nampiharin’ny Federasiona iraisam-pirenena tamin’ny taranjam-panatanjahantena miisa 2 dia ny taranja « Tsipy Kanetibe » (Pétanque), ary vao tsy ela akory izay dia  ny taranja « Karaté ».

IV- Mikasika ny Tanora, dia vokatra lehibe azo tsapain-tanana no azo tamin’ny fampiharana ny programa FANOITRA, izay mikendry indrindra ny fizakantenany tanora :

-Tanora miisa 13.810 no nahazo fiofanana LIFE SKILLS FANOITRA, ary nahazo « attestations » avy any amin’ny  Institut National de la Jeunesse (INJ).

-Distrikan’i Antananarivo renivohitra, Manjakandrina dia kolontsainan’ny Vina no nanombohana azy ary efa notanterahana teo anivon’ireo Fikambanana vitsivitsy ny module hafa.

-Ho an’ny Tanora amin’ny faritra Toamasina kosa dia nisitraka ireo modules miisa 5:

1- Ny Kolontsainan’ny Vina

2- Ny Fandraharahana sy Fampananan’asa ho an’ny Tanora

3- Fahasalamana sy Fiarovana ny Tanora

4- Famolavolana ho olom-pirenena vanona

5- Fialamboly ho an’ny Tanora

-Manoloana ny firongatry ny fidorohana zavamahadomelina « Rôro », dia nisy atrikasa niarahana tamin’ny solotenan’ny fikambanan’ny tanora miisa 120 no nametrahana paikady iombonana; ary fikambanan’ny tanora miisa 08 no hahazo fampitaovana ara-panatanjahantena ho fitaizana ny tanora. Ary hisy ny fanentanana ho tanterahana hiarahana amin’ny CIMJ (Comité Interministériel de la Jeunesse)

-Tao amin’ny Distrikan’i Betroka, izay distrika nanaovana andrana ny tetikasa Fanoitra dia nahazo tohana ara-teknika sy ara-pitaovana ireo tanora. Miisa 150 izy ireo miaraka amin’ireo tanora avy ao Fihaonana ary notohanana mba ho lasa « Taniketsan’ny Tanora mpandraharaha ». Nahafa-po izany ary hitarina any amin’ny distrika hafa.

Autre Articles

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....

FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

Nihaona tamin'ny masoivohon'i Korea monina sy miasa eto Madagasikara, Andriamatoa SON Yongho, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA ny faha 12 may 2023 lasa teo. Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta eo...