MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FARITRA MENABE: HERINANDRON’NY KARATANY HO AN’NY MALAGASY

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 31 may 2023 ny herinandron’ny karatany ho an’ny Malagasy ao amin’ny Faritra Menabe, izay tafiditra anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

Tonga nanome voninahitra sy nanokatra izany ny Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny Minisitera, ny Colonel RALAIKOTO Hajatiana, izay nisolotena ny Minisitry ny Tanora  sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA izay sady Minisitra mpiahy ny Faritra Menabe ary nisolotena ihany koa ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.

Nanontrona azy tamin’izany ireo tompon’andraikim-panjakana sy ireo olo-manankaja maro samy hafa ao an-toerana, toy ny Governoran’ny faritra Menabe, ny Préfet Morondava, ireo lehiben’ny Distrika, ireo Ben’ny tanana ao an-toerana ary ireo mpiara-miombon’antoka toy ny PNUD, USAID, FDA, ONG FANAMBY, ONG CODE MENABE, AD2M.

Nandritra ny lahateniny no nanambarany fa ny fanaovana ny fizarana karatany dia tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana amin’ny fanatanterahana ny veliranon’i Filoham-pirenena mba ho fampisitrahana ny vahoaka Malagasy ny taniny ao anatin’ny filaminana.

 » Hiompy hahavagno, hamboly hahavokatse », io no namaranany ny lahateniny izay nitsodrano ireo nisitraka ny karatany ao amin’ny Faritra Menabe.

10.000 karatany no hozaraina ho an’ny Faritra Menabe hatramin’ny volana septambra izao. Nisy araka izany ny atrikasa ho fampahafantarana ireo lalàna velona momban’ny fananan-tany sy ny fikarakarana ny karatany eny ifotony ho an’ireo nisitraka izany.

Hitohy ao amin’ny Distrikan’i Mahabo sy Manja ity hetsika ity ny 01 sy 02 jona 2023 ho avy izao.

Autre Articles

FANOMANANA NY FANDRAISANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FANOMANANA NY FANDRAISANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny fandraisana ny lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay hotanterahana eto Madagasikara ny taona 2023 dia nanatanteraka fitsidihana ny toerana hametrahana ny biraon’ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy na ny COJI tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny...

REVUE ANNUELLE SBC UNICEF

REVUE ANNUELLE SBC UNICEF

Notanterahana nandritra ny telo andro, ny faha 29 novambra hatramin'ny faha 01 desambra 2022, ny tomban'ezaka ny asa natao nandritra ny taona 2022 niarahana tamin'ny UNICEF " Section SBC na ny Social Behaviour Change". Nandritra izany dia nisy fandrafetana ny...

FARITRA VATOVAVY SY FITOVINANY: FIDINANA IFOTONY

FARITRA VATOVAVY SY FITOVINANY: FIDINANA IFOTONY

Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin'ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ny delegasionan'ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale jeneraly misahana ny Tanora sy ireo teknisiana avy ao amin'ny UNFPA izay anisan'ny mpanohana ny tanora amin'ny...

FARITRA FITOVINANY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA FITOVINANY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahana ny 27 novambra 2022 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Manakara, Faritra Fitovinany. Tonga nitokana izany ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA, notronin'Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian ary ny Minisitry ny Tanora sy ny...

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK

Tontosa ny 14 novambra 2022 tetsy amin'ny "Chambre de Commerce et Industrie" Antaninarenina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny herinandron'ny fandraharahana na ny Global Entrepreneurship Week(GEW), izay hankalazaina isan-taona mandritra ny...

« CONCOURS SCOLAIRE U15 CAF- FOOTBALL FEMININE »

« CONCOURS SCOLAIRE U15 CAF- FOOTBALL FEMININE »

Tontosa ny 12 novambra 2022 tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa « Concours scolaire U15 CAF- Football féminine », ho an’ny taranja baolina kitra sokajy vehivavy, latsaka ny 15 taona izay tafiditra ao anatin’ny...