MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FARITRA MENABE: HERINANDRON’NY KARATANY HO AN’NY MALAGASY

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 31 may 2023 ny herinandron’ny karatany ho an’ny Malagasy ao amin’ny Faritra Menabe, izay tafiditra anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

Tonga nanome voninahitra sy nanokatra izany ny Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny Minisitera, ny Colonel RALAIKOTO Hajatiana, izay nisolotena ny Minisitry ny Tanora  sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA izay sady Minisitra mpiahy ny Faritra Menabe ary nisolotena ihany koa ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.

Nanontrona azy tamin’izany ireo tompon’andraikim-panjakana sy ireo olo-manankaja maro samy hafa ao an-toerana, toy ny Governoran’ny faritra Menabe, ny Préfet Morondava, ireo lehiben’ny Distrika, ireo Ben’ny tanana ao an-toerana ary ireo mpiara-miombon’antoka toy ny PNUD, USAID, FDA, ONG FANAMBY, ONG CODE MENABE, AD2M.

Nandritra ny lahateniny no nanambarany fa ny fanaovana ny fizarana karatany dia tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana amin’ny fanatanterahana ny veliranon’i Filoham-pirenena mba ho fampisitrahana ny vahoaka Malagasy ny taniny ao anatin’ny filaminana.

 » Hiompy hahavagno, hamboly hahavokatse », io no namaranany ny lahateniny izay nitsodrano ireo nisitraka ny karatany ao amin’ny Faritra Menabe.

10.000 karatany no hozaraina ho an’ny Faritra Menabe hatramin’ny volana septambra izao. Nisy araka izany ny atrikasa ho fampahafantarana ireo lalàna velona momban’ny fananan-tany sy ny fikarakarana ny karatany eny ifotony ho an’ireo nisitraka izany.

Hitohy ao amin’ny Distrikan’i Mahabo sy Manja ity hetsika ity ny 01 sy 02 jona 2023 ho avy izao.

Autre Articles

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin'ny firenena mikambana ao amin'ny YouthConnekt Afrika...

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin'ny firenena Afrikanina samihafa eo amin'ny taranja Basket Ball...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin'ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain'ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ)....