MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA HANDBALL : FANDRAISANA NY AKIO AN’I MADAGASIKARA

Noraisin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tao amin’ny Kianja BAREA Mahamasina ny 01 Jona 2023 ireo ekipam-pirenena «Akio» Handball, sokajy « cadettes sy juniors » izay niatrika ny IHF TROPHY AFRICA-ZONE 6, natao tany Afrika Atsimo ny 23 hatramin’ny 27 may 2023 lasa teo.

Nanao pao-droa ny Akio an’i Madagasikara.

Tompondaka teo amin’ny sokajy cadettes ary nandrombaka ny anaram-boninahitra ihany koa teo amin’ny sokajy juniors.

Izany fandresena izany no mitondra ny ekipam-pirenena Malagasy ho any amin’ny fifaninanana kaontinantaly, hisolo tena ny faritra faha 6 izay hotanterahana tsy ho ela.

Nandritra ny lahateniny dia niarahaba ireo Atleta sy ny Federasiona Malagasy ny taranja Handball, izay nitondra avo ny voninahim-pirenena teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany ary vonona hatrany hanohana azy ireo amin’ny dinga manaraka ny Minisitera ho fanohanana ny fanatanjahantena Malagasy.

Angady nananana sy vy nahita izao vokatra izao ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hoy i Ramatoa RAHERIHARIJAONA Regina Clarisse, Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja  Handball izay nisolontena ireo ekipam-pirenena tamin’ny fanolorana fisaorana ny fitondram-panjakana.

Autre Articles

TARANJA JUDO: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

TARANJA JUDO: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Notanterahina nandritra ny telo andro nanomboka ny 14 aprily tao am kianja mitafo Ankorondrano ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Judo. Ny sokajin-taona cadets sy junior lahy sy vavy no nanokatra ny fifaninanana . Ny sabotsy 15 aprily dia ny...

TARANJA AVIRON: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA AVIRON: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan'ny Federasionina Malagasy ny taranja Aviron na ny mpivehy laka miamboho, Andriamatoa MOUHIDINE Mohamad, ny 13 aprily 2023....

BASKETBALL: VALANDRESAKA HO AN’NY MPANAO GAZETY.

BASKETBALL: VALANDRESAKA HO AN’NY MPANAO GAZETY.

Nampahafantarina ny 7 aprily 2023, nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety ny mombamomban'ny fanomanana ny "FIBA WORLD CUP U19 2023 sy ny fanomanantenan'ny ANKOAY U19 izay hatao any La Frantsa ny 10 ka hatramin'ny 29 aprily 2023 ho avy izao. Ny...

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY PNUD

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY PNUD

Tonga nitsidika am-panajana an'Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, androany 6 aprily 2023 teto amin'ny biraony Ambohijatovo ny solotenan'ny PNUD monina sy miasa eto Madagasikara, Ramatoa NATASHA Van Rijn. Naneho ny fahavononana...