Noraisin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tao amin’ny Kianja BAREA Mahamasina ny 01 Jona 2023 ireo ekipam-pirenena «Akio» Handball, sokajy « cadettes sy juniors » izay niatrika ny IHF TROPHY AFRICA-ZONE 6, natao tany Afrika Atsimo ny 23 hatramin’ny 27 may 2023 lasa teo.
Nanao pao-droa ny Akio an’i Madagasikara.
Tompondaka teo amin’ny sokajy cadettes ary nandrombaka ny anaram-boninahitra ihany koa teo amin’ny sokajy juniors.
Izany fandresena izany no mitondra ny ekipam-pirenena Malagasy ho any amin’ny fifaninanana kaontinantaly, hisolo tena ny faritra faha 6 izay hotanterahana tsy ho ela.
Nandritra ny lahateniny dia niarahaba ireo Atleta sy ny Federasiona Malagasy ny taranja Handball, izay nitondra avo ny voninahim-pirenena teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany ary vonona hatrany hanohana azy ireo amin’ny dinga manaraka ny Minisitera ho fanohanana ny fanatanjahantena Malagasy.
Angady nananana sy vy nahita izao vokatra izao ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hoy i Ramatoa RAHERIHARIJAONA Regina Clarisse, Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Handball izay nisolontena ireo ekipam-pirenena tamin’ny fanolorana fisaorana ny fitondram-panjakana.