MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA HANDBALL : FANDRAISANA NY AKIO AN’I MADAGASIKARA

Noraisin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tao amin’ny Kianja BAREA Mahamasina ny 01 Jona 2023 ireo ekipam-pirenena «Akio» Handball, sokajy « cadettes sy juniors » izay niatrika ny IHF TROPHY AFRICA-ZONE 6, natao tany Afrika Atsimo ny 23 hatramin’ny 27 may 2023 lasa teo.

Nanao pao-droa ny Akio an’i Madagasikara.

Tompondaka teo amin’ny sokajy cadettes ary nandrombaka ny anaram-boninahitra ihany koa teo amin’ny sokajy juniors.

Izany fandresena izany no mitondra ny ekipam-pirenena Malagasy ho any amin’ny fifaninanana kaontinantaly, hisolo tena ny faritra faha 6 izay hotanterahana tsy ho ela.

Nandritra ny lahateniny dia niarahaba ireo Atleta sy ny Federasiona Malagasy ny taranja Handball, izay nitondra avo ny voninahim-pirenena teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany ary vonona hatrany hanohana azy ireo amin’ny dinga manaraka ny Minisitera ho fanohanana ny fanatanjahantena Malagasy.

Angady nananana sy vy nahita izao vokatra izao ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hoy i Ramatoa RAHERIHARIJAONA Regina Clarisse, Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja  Handball izay nisolontena ireo ekipam-pirenena tamin’ny fanolorana fisaorana ny fitondram-panjakana.

Autre Articles

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin'ny firenena mikambana ao amin'ny YouthConnekt Afrika...

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin'ny firenena Afrikanina samihafa eo amin'ny taranja Basket Ball...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin'ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain'ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ)....