MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA HANDBALL : FANDRAISANA NY AKIO AN’I MADAGASIKARA

Noraisin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tao amin’ny Kianja BAREA Mahamasina ny 01 Jona 2023 ireo ekipam-pirenena «Akio» Handball, sokajy « cadettes sy juniors » izay niatrika ny IHF TROPHY AFRICA-ZONE 6, natao tany Afrika Atsimo ny 23 hatramin’ny 27 may 2023 lasa teo.

Nanao pao-droa ny Akio an’i Madagasikara.

Tompondaka teo amin’ny sokajy cadettes ary nandrombaka ny anaram-boninahitra ihany koa teo amin’ny sokajy juniors.

Izany fandresena izany no mitondra ny ekipam-pirenena Malagasy ho any amin’ny fifaninanana kaontinantaly, hisolo tena ny faritra faha 6 izay hotanterahana tsy ho ela.

Nandritra ny lahateniny dia niarahaba ireo Atleta sy ny Federasiona Malagasy ny taranja Handball, izay nitondra avo ny voninahim-pirenena teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany ary vonona hatrany hanohana azy ireo amin’ny dinga manaraka ny Minisitera ho fanohanana ny fanatanjahantena Malagasy.

Angady nananana sy vy nahita izao vokatra izao ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hoy i Ramatoa RAHERIHARIJAONA Regina Clarisse, Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja  Handball izay nisolontena ireo ekipam-pirenena tamin’ny fanolorana fisaorana ny fitondram-panjakana.

Autre Articles

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....

FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

Nihaona tamin'ny masoivohon'i Korea monina sy miasa eto Madagasikara, Andriamatoa SON Yongho, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA ny faha 12 may 2023 lasa teo. Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta eo...