MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA HANDBALL : FANDRAISANA NY AKIO AN’I MADAGASIKARA

Noraisin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tao amin’ny Kianja BAREA Mahamasina ny 01 Jona 2023 ireo ekipam-pirenena «Akio» Handball, sokajy « cadettes sy juniors » izay niatrika ny IHF TROPHY AFRICA-ZONE 6, natao tany Afrika Atsimo ny 23 hatramin’ny 27 may 2023 lasa teo.

Nanao pao-droa ny Akio an’i Madagasikara.

Tompondaka teo amin’ny sokajy cadettes ary nandrombaka ny anaram-boninahitra ihany koa teo amin’ny sokajy juniors.

Izany fandresena izany no mitondra ny ekipam-pirenena Malagasy ho any amin’ny fifaninanana kaontinantaly, hisolo tena ny faritra faha 6 izay hotanterahana tsy ho ela.

Nandritra ny lahateniny dia niarahaba ireo Atleta sy ny Federasiona Malagasy ny taranja Handball, izay nitondra avo ny voninahim-pirenena teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany ary vonona hatrany hanohana azy ireo amin’ny dinga manaraka ny Minisitera ho fanohanana ny fanatanjahantena Malagasy.

Angady nananana sy vy nahita izao vokatra izao ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hoy i Ramatoa RAHERIHARIJAONA Regina Clarisse, Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja  Handball izay nisolontena ireo ekipam-pirenena tamin’ny fanolorana fisaorana ny fitondram-panjakana.

Autre Articles

FIOFANANA MOMBA NY FAHAIZANA NOMERIKA

FIOFANANA MOMBA NY FAHAIZANA NOMERIKA

Notanterahana ny 12 may 2023, tao  amin'ny HABAKA Tsimbazaza ny fanokafana ny fiofanana momba ny fahaizana nomerika niarahana tamin'ireo iraky ny vondrona Afrikanina misahana ny tanora, izay notarihan-dRamatoa Chido Mpemba. Nisolotena an'Andriamatoa André Haja...

TARANJA TENNIS: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA TENNIS: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny Federasiona Malagasy ny taranja tennis, izay tarihan'ny Filohany,  Andriamatoa Soloniaina RAKOTOMANIRAKA, ny 11 may 2023. Voaresaka nandritra...

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA

Noraisin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nandritra ny " Journée des médaillés" tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 07 may 2023, ireo atleta Malagasy namiratra sy nitondra vokatra tsara teo amin'ny fifaninanana kaontinanta Afrikanina sy ny iraisam-pirenena...

TOAMASINA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

TOAMASINA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga dia anjaran'ny tanora tao Toamasina, Faritra Antsinanana indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA. Tanora...

LIFESKILLS FANOITRA: FIOFANANA NY MODULE 2 SY 3

LIFESKILLS FANOITRA: FIOFANANA NY MODULE 2 SY 3

Tontosa ny Talata 2 may 2023 tao amin'ny Palais des Sports Mahamasina ny fiofanana Lifeskills Fanoitra module 2 sy module 3 mahakasika ny lohahevitra "Fanabeazana maha-olom-pirenena vanona, fandriampahalemana, ady amin'ny kolikoly, fiarovana ny tontolo iainana" sy ny...