Notontosaina ny 02 Jona 2023, teo amin’ny Lapan’ny tananan’Antananarivo ny fanombohana ny fankalazana ny faha-63 taona namerenana ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara sy fanomezan-kasina ny fiandrianam-pirenena.
Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Ramatoa vadiny, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo solontena avy any amin’ny Faritra 23.
Nandritra ny lahateniny no nitondrany ny fanentanana ny maha zava-dehibe ny fananganana ny sainam-pirenena Malagasy ho mariky ny firaisankina. Nisy ihany koa ny fanokafana ny fampirantiana mitondra ny lohateny hoe “ ” izay tafiditra ihany koa anatin’ny fankalazana.
Anisan’ny nanome voninahitra izany lanona izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA.