Nandray ireo solontena avy amin’ny firenena mikambana (Nations-Unies), ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 02 jona 2023.
Voaresaka nandritra izany ny mety ho endrika fiaraha miasa hisy eo anivon’ny Minisiteran’ny ny Tanora sy ny Fanatanjahatena sy ireo masoivohon’ny firenena mikambana ho an’ny tetikasa « Youth Peace Initiave » 2023, izay hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka UNESCO, UNICEF, HCDH.
Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny fanoloran-tenan’ny tanora ho singa iray hitondra ny fandriam-pahalemana sy ny firaisan-kina eo amin’ny fiaraha-monina no tanjona amin’ity tetikasa ity.
Nankasitraka sy nisaotra ny Minisitera ireto iraka manokana avy amin’ny firenena mikambana ireto tamin’ny fandraisana azy ireo ary nanamafy ny fahavonana eo amin’ny roa tonta amin’ny fiaraha-miasa.