MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TETIKASA YOUTH PEACE INITIATIVE

Nandray ireo solontena avy amin’ny firenena mikambana (Nations-Unies), ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 02 jona 2023.

Voaresaka nandritra izany ny mety ho endrika fiaraha miasa hisy eo anivon’ny Minisiteran’ny ny Tanora sy ny Fanatanjahatena sy ireo masoivohon’ny firenena mikambana ho an’ny tetikasa « Youth Peace Initiave » 2023, izay hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka UNESCO, UNICEF, HCDH.

Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny fanoloran-tenan’ny tanora ho singa iray hitondra ny fandriam-pahalemana sy ny firaisan-kina eo amin’ny fiaraha-monina no tanjona amin’ity tetikasa ity.

Nankasitraka sy nisaotra ny Minisitera ireto iraka manokana avy amin’ny firenena mikambana ireto tamin’ny fandraisana azy ireo ary nanamafy ny fahavonana eo amin’ny roa tonta amin’ny fiaraha-miasa.

Autre Articles

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin'ny firenena mikambana ao amin'ny YouthConnekt Afrika...

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin'ny firenena Afrikanina samihafa eo amin'ny taranja Basket Ball...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin'ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain'ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ)....