MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FOOTBALL: FITSIDIHANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NATAON’NY TOMPON’ANDRAIKITRA MISAHANA NY BAOLINA KITRA AN-TSEKOLY

Tonga nitsidika tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny tompon’andraikitra avy amin’ny FIFA mahakasika ny baolina kitra an-tsekoly, Ramatoa FATIMATA izay mamita iraka eto Madagasikara sy ny Federasiona Malagasy ny taranja baolina kitra (FMF), ny 05 jona 2023, teto Ambohijatovo.

Nandritra izany no nanehoan’ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA ny fisaorana ny FIFA tamin’ny fihaonana izay mampiseho ny fisian’ny fiaraha-miasa sy ny fifampitokisana mipetraka eo amin’ny FIFA sy Madagasikara.

Hotanterahana ny 6 sy 7 jona 2023 izao ny fiofanana mahakasika izany ho an’ireo mpisehatra ary ny 8 jona 2023 izao ny lanonana ofisialy ho fanombohana ny fifaninanana ny baolina kitra an-tsekoly na ny Football for School izay hotanterahana eto Antananarivo.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...